Aleo very tsikalakalambola toy izay very tsikalakalampihavanana
Ataovy fihavana-molotra, rehefa tezitra vao mifanantona, fa tsy fihavanam-bato, ka rehefa tapaka tsy azo tohizina intsony
Ataovy fihavanan-dandy, raha madilana tentenina
Aza manao Havana raha misy patsa
Aza mandalo tanà-misy Havana
Basy atifin-kavana
Havana tsy fantatra, naman’ny tsy havana
Hava-tiana tsy hiaraha-monina
Izay mahavangivangy, tian-kavana
Lalina ny rano, azo lakanina; lalina ny hady, azo toharana; fa ny ratsy ataon-kavana no tsy azon-kevitra
Lany vary tonga havana, ka ny loha no haotraorina
Mafanafana, to any ratsy ataon-kavana
Nahita soa tamin’iza, no izaho Havana no asian-dratsy ?
Ny fihavanana toy ny lamban'akoho, an ampasana vao misaraka
Ny fihavanana toy ny raty: raha henjanina, tapaka; raha ketrahina, miboraka
Ny Havana, lelafin-katelina
Ny fo tsy mba mandringa, ka raha mandalo, mitsidika ihany
Ny fihavanana toa fasambazimba, ka izay mandrava aloha no na tapakila
Ny malahelo, tsy mba havan’ny manana
Raha maty aho , matesa rahavana, raha maty rahavana matesa ny omby
Tonga ranaotra, tsy misy ny laoka; lasa ranaotra, vonoy ny omby
Tsy ny fanambadiana no taloha, fa ny fihavanana
Tsy ny varotra no taloha, fa ny fihavanana
Varotra tsy raikitra tsy maharatsy fihavanana
Voin-kava mahatratra, izay mahazo ny hafa mahazo ny tena
Voin-tenanao tsy namangy, fa ny aretiko sitrana ihany