Akanga maro tsy vakin'amboa
Akanga miara-dia, tsy fantatra izay ray aman-dreny
Akanga mitsindroka am batolampy ka voky vao fanim panina
Akoho tsy nipoitra ohatr'izay efa lanin'ny kary
Andry ombin dRalaimora, ny lehibe voatambitamby, ny kely voasafosafo
Angady mondro sy reny akoho, izay mananda no resy
Ao ihany ny takatra nihinana ny valala sy ny vano nitsaingoka ny sahona
Aretina tsy mihoatra ny boka, biby tsy mihoatra ny mamba
Aza be famaritra toy ny rambon'osy ka lanitra tsy hianjera no tohanana
Aza manai boron-kotifirina
Aza manao toa ny saka, hiady vao mifampitsodrano
Aza manao toa ny voalavo sasatry ny miaina ka saka matory no alàn-volom-bava
Aza manao toton'omby bory
Aza manao toy ny saka manafin-koho
Aza manao vitsika tsara trano, malaina mivoaka nefa tsy manan-kanina ho raisina
Aza mandatsa vorona azo
Aza miady vintana amin’ny akoho, fa izy na ho any antsena aza lolohavina
Aza mitomany homana toa ny ankohokely
Aza mitsoitsoy toy ny totozy Lendrano
Aza ny hakelin'ny totozy no jerena fa ny lavaka vitany
Fihavanan-takatra, ka ory miara mitokiky,faly miara mitokaka
Fitia lamban’akoho, aina no fetra
Fitiavan’alika ka fifandroritana no hiafarana
Fody lahy ririnina ka mitovo volo amin ny sorohitra
Fozalahy ririnina : samy mitady tamenany ho azy
Goaika maneno am panidinana, ka mampidera feo eny an danitra
Goaika tsy atoro tanim boanjo
Haja omena ny tantely no anaovana azy sorona, fa ny mamy toa azy mba misy ihany,
Hazo sy vorona, izay manina no manatona
Imandridrano no matavy omby ka Analamanga no telo saoka
Izay vandana dia kary
Kibobo voafandrika ka ny mandrimandry no hahazoan aina
Lalan-kitan-kisoa
Lasa ny mamba: misosoka ny voay
Mahita ny akanga tsara soratra ka manary ny akoho tamana an-trano
Mahita volana alohan'ny biby
Mamba miandry fitana: izay mirotsaka ao aminy, na tsy maty aza, tsy maintsy harahim-pahoriana
Mamitaka ny mividy omby anaty ambiaty
Manan draharaha ny dokotra fa merika ny andro
Manao havana raha misy patsa
Manao tera-bitro
Mandady hajaina ohatra ny alika.
Mandoka tena ohatran ny papelika
Maro ny valala, fa ny ambolo no tsara soratra, maro ny omby, fa ny sada no meva
Matavy omby, sa maranitra antsy ka mihomehy olona
Matim-pitia toa lalitra ka mitsoboka alohan ny sotro
Matin-kanin-kely toa amalona.
Miarahaba mamba, tsy fitia fa tahotra
Mifanipaka toy ny valala an-karona
Miharatsy ampitoerana toy ny amboa nosasana
Miherikerika toy ny ombilahy babo
Mipaoka imason ny tompony toy ny voromahery
Misoko mangina hoatran'ny ron-gisa
Mitabe tsy lanin'ny mamba
Mitarano saro-mamba
Mivorivory sahala amin ny parasy ambodin alika
Mpandainga mamahan-dalitra
Mpiandry omby volavita, tsy tompony fa mpamerin doha
Mpirahalahy mizara dian omby, tsy vaky fa mitriatra
Na mahay manjohy aza ny kibobo, ny alika koa mahay manim bolo
Ny akoho no tsy nanidina tsy nahandry ny andro zoma
Ny fitiavam-boangory tsy anenjeham-boantay
Ny kary no manao ny ataony ka ny saka no voatapa-drambo
Ny omby mahia no hoanina, ny ao ampahitra maha-mena maso
Ny valala tsy azo raha tsy handrian'elika
Ny valala tsy indroa mandry ambavahady
Ny zanak omby tsy ampianarin domano
Olona adala manao hevi-boalavo ka saka matory no alaim-volombava
Ombilahy tsara feo ka ny vavany no mahalafo azy
Omby mahia tsy lelafin'ny namany.
Omby namidy tsy an'ny tena
Rafotsibe leom-boanjo ka tain’ondry avy no andosirana
Rafotsibe leon-tsokina ka tsy te hiherika vodin kofàfa
Rafotsiby miandry ombilahy ka manaraka ambokony
Raha mety ny atao, soabakaka aza mampidi-drano
Sahala amin ny sahona, mipetraka toa lahy antitra, mitsambikina toa tovolahy
Saro tiavina toa landy moka
Sifotra antitra aho ka tsy maha reny vorona ana
Tahaka ny kibon'omby ririnina, ka mitondra tapany lava
Taiza antrano manaotsipak'ombalahy
Tampin-dalan-kaleha toy ny sokina nananim-bato
Te hividy ny lohany nefa matahotra ny masony
Tendrombohitra fandrian'ny zavona; lohasaha fandrian' ny moka; sakeli-drano fandrian' ny mamba; izaho, kely fandrian'ny saina
Tokantranom-boalavo ka samy mikepoka izay azony
Tondro tokana tsy mahazo hao
Totovary hariva, ka manari-dia ny akoho
Tsikirity momba fody, ka tsy tompon-dia fa mpanaraka
Tsy ampy ketsa mivezivezy, very ondry manara-morona
Tsy avo tsy iva toa lohalik'alika
Tsy matoky saka aho fa trondro no laoka
Tsy mba tsiriry vorona, ka manifi drano dia lasa, fa tsiriry ahitra, ka lo eo an tany naniriany
Tsy misy adala tahaka ny akoho, fa nony hariva ny andro, mahalala mody
Vano am balam parihy ihany mantsy aho, ka raha tazanina toa avo dingana, hatonina kely fingotra
Veliranon'amboa izay maty aloha hohanina
Vitsika nomba kitay, ka harivariva an-tanin'olona
Voalavo mangetotra anaty lavenona ka ditsoky ny nataony
Voalavo no velona, akaiky ny lavany
Voavoa ohatra ny dakam-boriky
Vorom bazaha misasa, samy manao izay saim patany
Vorom bola miaraka amin akoho, miala fa tsy havanay
Vorom potsy tsy mandao omby
Voromanga milevim-belona
Vorondolo miseho andro ka ny tararaka aza manenjika
Vorona nihoatra an Andringitra, afohizo fa an tanindrazany
Vorona tokana anosy ka miherikerika irery
Vorondolo miteraboromanga
Voronombalahy ka ambony miray lanitra, ambany miray lavaka
Vorontsiloza fa loza ihany raha mahita tsaramaso eny am paniriana
Vovon'alika tsy hery fa tahotra
Zana tsorohitra amoron dàlana,ka tsy nariako, tsy narian dreniny