Ohabolana mampomehy

 

1.      Mihitatra sahala amin'ny sima misioka

2.      Bitsibitsiky ny lava nify, ny lavitra indray no maheno aloha

3.      Bingo manao matso

4.      Mifanaratsy an-toerana toy ny boka mitanin'andro

5.      Mihena an toerana toa fen'antitra

6.      Toy ny njola mitaky trosa, vao eny am bavahady dia efa mangarika

7.      Ikala kely mizaha lanonana, efa mody vao hitan'ny olona

8.      Ikala adala nomen dasy, herin'andro mitsinjaka ihany

9.      Rehefa afaka ny tsiny (hoy ny mpikabary) dia maivamaivana ny vava hoy ilay be molotra avy mandrora paraky

10.  Tsy mba voaloboka antitra izahay ka hiketrona am pijoroana fa tsaramasom bazaha ka tsy midola raha tsy eny an-davarangana (hoy ny olona mirehareha)

11.  Mianjonanjona ohatran'ny Sihanaka voadakan'ny osy

12.  Miteronterona toy ny Betsileo vita batisa

13.  Betsimisaraka mitaingina bicyclette, tsy mijanona raha tsy any an dranomasina

14.  Tsy adalan dRakamisy (anarana betsileo) no tsy nanambadiany Ambaniandro

15.  Betsileo tsa te (tia) hena?

16.  Raha razana tsy hitahy, fohazy hihady vomanga

17.  Zazavavy soa petaka orona, voatondro iray no tsininy

18.  Mitsako tsy re ka kenda vao "dony aho ranotra” !

19.  Ny maso no tia jerijery, ka ny fo no mahozo raki-dratsy

20.  Ny adalan'ny hafa tondrointanana fany an'ny tena afenimpenina.

21.  Toy ny tongotra vakivaky, sady marary no mahamenatra

22.  Tsy tia,tsy tia ka tsy manidy trano !

23.  Arahabao ihany izay hita, fa tsy fantatra izay ho rafozana!

24.  Bangaomen-taolana, ny tanana mandray, ny fo mieritreritra!

25.  Raha ny kapoka no maha-hendry, dia ny omby no hendry aloha !

26.  Miavontsy feno toy ny maloto entindriaka

27.  Mitsikitsiky na mihomehy toa ny banga

28.  Mandehana dieny malaina fa rehefa mazoto tsy afaka intsony

×