Créer un site internet

Hainteny

Lita - Hono ry Dada sy Neny,
Inona moa ny hainteny ?
Moa ohabolana izy ireny
Sa kabary lavareny ?  

Dada - Ny hainteny ve lehiroa ?
Haren-tsaina, vatosoa,
Tokana, tsy ananan-droa.
Moa tsy izany, Ramatoa ? 

Neny - Ny hainteny, sombinaina
Iainana, ahazoana aina.
Tsikaritra ao ombieny ombieny
Ny karazan-kilalaon-teny.

Mety hisy ohabolana ihany koa
Fandresen-dahatra io moa,
Mifono tenim-pahendrena,
Ka saro-davina, ekena. 

Dada - Ny hainteny dia afon-teny
Vonon-kisendra heniheny
Koa lanjalanjao àry
Fa ny hainteny tsy kabary. 

Ny Antsiva

Tiako hianao
Ary tianao tahaka ny inona?
Tiako tahaka ny vola hianao
Izany tsy tianao aho
Fa raha noana hianao atakalonao hanina
Tiako tahaka ny varavarana hianao
Izany tsy tianao aho
Tiana ihany ka atositosika
Tiako tahaka ny lambamena hianao
Izany tsy tianao aho
Fa efa maty vao mihaona
Tiako tahaka ny voatavo hianao
Lena hianao haniko
Maina hianao ataoko zinga
Vaky hianao ataoko toham-baliha
Hotendreko eroa amoron-dàlana
Renin'ny mpandalo
Zao hianao vao tena tia ahy

Aza ataonao fitia akondro an-tsaro-drivotra aho Andriamatoa
Sady torantorana no matim-panala
Aza ataonao fitia varavarana aho
Tiana ihany ka atositosika
Fa mba ataovy fitia foza kely
Ka lany mbanin'ny tongony

Mitsangatsangan'tsy mila toa miavona
Mila matetika toa mitampesina
Mila anao aho Ramatoa
Ka raha tsy mety ahy hianao
Tama-mandry irery

Ny hitsikitsika, hono, no tompon'ny dihy
Ny vivy, hono, no tompon'ny rano
Ny railovy, no tompon'ny feo
Ny Raiamandreny, no tompon'ny fitenenana

Raha ho faty aho matesa rahavana
Ary raha ho faty rahavana matesa ny omby
Raha izahay sy ny zanako no hisaraka
Mihatona ry tany aman-danitra
raha ny olona iray no tsy tia
Dia hitoto koba aho hatavy.

Izaho vary ary hianao rano
An-tsaha tsy mifandao
An-tanàna tsy misaraka
Fa isak'izay mihaona
Fitia vaovao ihany

Firy lohasaha notetezana, no dia mody alina ?
Sao hendratrendratry ny akanga tsara soratra lahy, ka tsy nahatsiaro ny akoho niandry ao an-trano !