Ny hazo voaroy ihany no hazo voangaly.
Angaliko hianao raha tia ahy; fa raha tsy tia hianao, mba tofoka aho;
ary raha manova hianao, mba afoiko; fa ny "fitia mifamaly no mahatsara fihavanana".
Aza boraborahina ny fihavanana, fa ny "fihavanana tahaka ny voara, ka raha vakina, misy vitsika".
Aza tia havan'olona ka mankahala ny havan'ny tena; fa ny olon-kafa anie toy ny " varialoha: mahatra-po, fa tsy mahavita taona"; koa raha manetriketrika ny an'olona hianao, nony masaka, entanin'ny tompony.
Fa ny havan'olona jerena toa "rano am-batolampy : raha tazanina, mangiaka; fa raha tovozina, tsy ahazoana".
|
Fa tsy misy toa an-drahavana, ka manaova toy ny maso sy orona, ka iray alahelo. Koa raha soa, miara-tsoa; ary raha ory, miara-mitondra ! Fa ny heloka ibabohana mody rariny; ary ny rariny itompoana mody heloka. Nefa na dia lazaina aza izany "ny manam-panahy mody voky, fa ny adala manesika ihany". Raha mananatra ny adala dia lambany no ariany; fa raha ny hendry kosa no anarina, dia tahaka ny akoho misotro rano, sady mitelina no miatoka. Ka tandremo, fandrao hoatra ny zaza kamboty mandany harena, ka harena lany, ny tena tsy misy mpananatra. "Ny mamangivangy tian-kavana; ary ny malemy fanahy tratra am-parany".
|