Créer un site internet

Ny Fifanajana

Araka ny fomba malagasy dia zava-dehibe ny fifanajana ny zoky sy ny ray aman-dreny. Tamin’ny Ntaolo dia natahorana tokoa izany ho diso tamin’ny lalàn’ny fifanajàna izany, ary natao ho “mahafaty vorona” raha ny zandry aman-janaka no manao tsinontsinona ny zoky sy ny ray aman-dreny.

Niforona tamin'ny finoana momba ny fampinomana (fisotroana tangena) ny teny hoe "mafahaty vorona". Indraindray mantsy dia nosaikena biby na vorona ny olona nampinomina, ka raha maty ilay biby na vorona, nasaiky azy, dia natao ho “resy” koa ilay olona nosaikena. Ny maty vorona izany dia nenti-milaza ny “resy am-pinomana”ary izay fanao noheverin’ny Ntaolo ho mahafaty vorona dia nampitoviny saranga tamin’ny mosavy sy ny heloka lehibe, izay noresen’ny tangena. Ny tsi-fanatanterahana ny lalàm-panajana, indrindra izay anjaran’ny zandry aman-janaka amin’ny zoky sy ny ray aman-dreny dia nampidiriny ho amin’izany antoko izany. Ny manao teny mitanjaka eo anatrehan’ny olon-tsy heny dia isan’ny mahavoafady koa; ka raha misy tsy maintsy hidiran’ny teny manana endrika toy izany ao anatin’ny resaka dia miala salohy fito ery ny mpiteny, ka manao hoe : izay mamosavy, matesa vorona!

Fomba fiarahabana

Ny fomba fiarahabana tamin’ny andron’ny Ntaolo dia ara-pirazanana sy ara-boninahitra.

Ny fiarahabana Andriana dia hoe “Tsaràva tompoko e?”. Ny “tsaràva” dia fanafohezana ny fanontaniana hoe “tsara ihany va?”. Dia mamaly ny Andriana hoe “Tsara ihany, tsara ihany! Manao ahoana hianao?”. Tato aoriana dia lasa fotsiny hoe “Manao ahoana hianao?”. Ny teny fiarahabana ny Andriamanjaka dia miavaka noho ny fanao tamin’ny olon-kafa. Intelo miantoana toy izao no fiarahabana azy “Sarasara tompoko e! Tsaràva tompoko e? Tsara antitra tompoko e?”. Ary ao antenatenan’ny arahaba Izy no mamaly hoe “ Tsara ihany !”.

Ny Hova sy ny olona sisa kosa dia manao hoe “ Akory izatsy izy, tompoko e?”, izay nafohezan’ny ankehitriny amin’ny hoe “Kôsy, tompoko!”. Ny famaliana dia hoe “ Manao ahoana hianao, na akory hianao?”.

Ara-pirazanana dia ny Andriana no arabain’ny Hova sy ny hafa rehetra. Kanefa misy Hova misondro-boninahitra ambony, na zoky ray aman-dreny loatra amin’ny taona niainany, dia miarahaba azy mialoha ihany ny Andriana manao “Akory izatsy izy, tompoko e?”. Ilay Hova mamaly “Tsaràva, tompoko e!”.

Amin’ny samy Andriana, dia ny vehivavy no miarahaba ny lehilahy, na dia ny zandry aman-janaka aza, satria ny lehilahy no natao ho kiadin’ny vehivavy. Ary raha samy lehilahy, na samy vehivavy, dia ny zandry no miarahaba zoky. Kanefa raha sendra zoky amin’ny taona aza, fa vinanton’olona, dia miarahaba ihany. Tena noheverina ho fahadisoana taloha raha ny Andriandahy miarahaba ny reniny sy ny zokiny vavy hoe “Tsaràva tompoko e?” ary ny vehivavy lehibe mihitsy no tsy manaily ho arabain’ny zanany lahy.

Raha samy Hova, raha samy Mainty, dia ny zandry aman-janaka no miarahaba ny zoky sy ny ray aman-dreny, na lahy, na vavy.

Fomba fanaovam-beloma

Na Andriana, na Hova, na Mainty, ny fanaovam-beloma dia mitovy “Veloma tompoko” na “Tsara antitra tompoko e!”.

Ny “mandra-pihaona” fanao ankehitriny dia niseho tamin’ny fahajanantany, nadika tamin’ilay teny frantsay hoe “au revoir”.

Ny fomban’ny mpianakavy

Fady tamin’ny zandry aman-janaka ny mipetraka, na mandry, eny amin’ny ambonimbony toerana noho ny ipetrahana na andrian’ny zoky sy ny ray aman-dreny. Ny tongo-pandriana koa tsy azo atao amin’izay manipaka ny an-dohafandrian’ny ray aman-dreny. Ary tsy azon’ny zatovo atao ny misolontsolona mankeny avara-patana, toerana fanajana ny zokiolona, raha tsy sendra antsoina hipetraka eny angaha !

Ny zoky lehibe dia tsy sahy tononina ho”zoky” fa atao hoe “ray aman-dreny” ary ny vadin-joky dia atao ho toy ny reny mihitsy. Ny antitra dia atao henin-kaja na dia tsy vola tsy harena aza !

Eo am-pisakafona

Raha miara-misakafo ny mpianakavy dia tsy misy sahy mandray sotro sy mihinana raha tsy ny ray aman-dreny zokiny indrindra ao an-trano no efa mikatroka. Ary raha voky aloha aza ny zandriolona, dia tsy sahy miseho ho mijanona, raha mbola mihinana ny ray aman-dreny, fa dia mihinankinan-tsi-sazoka eo. Izay maika loatra, ka tsy maintsy miainga alohan’ny ahalanian’ny sakafon’ny olona rehetra dia miala tsiny mafy sy manao “aza fady handao homana”.

Fomba ny Ntaolo koa ny mampiray vilia ny mpirahalahy na ny mpirahavavy, ka rehefa kely sisa ny vary dia avela ho an’ny zandriny ary raha miteny ilay zandriny izay sisana ka manao hoe “hano ihany e” dia valian-jokiny kosa hoe : hano ho anao, fa ianao no hitondra sobika!

Ary amin’ireo izay miombom-bary toy izany, raha sendra voky aloha ilay zandry dia diso amin’ny lalàm-panajana izy raha avy dia mametraka sahady ny sotrony, fa tazonina eny an-tànana eny ihany iny mandra-pijanon’ilay zokiny ombonam-bary.

Na vorona, na akoho no loaka dia an’ny ray aman-dreny ny vodiny ary ny an’ny zaza kosa ny feny. Koa raha misy zanaka mahatelim-bodiakoho nefa tsy lavitra ny ray aman-dreniny dia atao ho fahadisoana lehibe indrindra amin’ny lalàm-panajana izany na dia hoe efa mahatsangy no àry manan-tokantrano aza izany zanaka izany!

Ny zandry aman-janaka, raha toloran’ny ray amandreny hanina, na zavatra hafa dia mananty tsara, fa tena tsi-fanajana ny mandrompotra ny zavatra raisina: tànan-droa mihitsy aza matetika no anantazana azy.

Raha mangetaheta ny zandry dia tsy sahy misotro avy hatrany rehefa mahazo rano fa manadina ny zoky sy ny ray aman-derny manatrika eo aloha, ka manao hoe “sao hisotro hianao ?” Rehefa milaza tsy hisotro ireo vao misotro amin’izay ny zandry.

Natao ho zava-pady indrindra koa ny manira-joky sy ray aman-dreny, ka raha sendra misy zavatra tiana horaisina, nefa mipetraka eo akaikin’ny zoky na ny ray aman-dreny, ka manerantserana azy loatra ny aleha eo handray iny zavatra iny, dia manao azafady sy miala tsiny mafy ny zandriolona mangataka ilay zavatra.

Raha misy vahiny misakafo ao an-trano dia fanaony tompontrano ny miteny matetika hoe “hano, tompoko e! aza tsiny fa tsizarizary ny nahandro !” Ary raha fanasana sy fihinanambe no atao dia mitondra mody amin’ny sakafo ny olona nasaina, fa tsy mety ny milaza rezatra fotsiny rehefa mby any an-tranony.

Eny an-dalambe na eny an-tsena

Rehefa eny an-dalam-be dia tsy mialoha ny zoky raha ray aman-dreny ny zandry, afa-tsy raha sendra maika loatra ary amin’izay manao “azafady fa hialoha kely”. Na dia olona tsy fantatra aza rehefa hialohan-dàlana, dia anaovana “azafady”.

Raha sendra misy olona mipetraka eo amoron’ny làlana lalovana dia tsy fanao ny manerana olona tsy manao “mbay làlana, tompokô!” Raha ray aman-dreny lehibe, na olona manan-kaja ambony ilay holalovana dia somary miondrika sy misava làlana kely amin’ny tànana ankavanana raha “mangata-dàlana”. Tsy miandry ela tafahodina vao miteny, satria tsy mety raha efa manerana vao manao mbay làlana.

En en-tsena kosa anefa, noho ny hamaroan’ny olona tsy maintsy holalovana, dia tsy heverina ho tsi-fanajana intsony ny tsy manao mbay làlana; koa ny mpiasabe vonton’anatra ihany no sisa manao mbay làlana an-tsena.

Ny entana eny amin’ny zoky na ny ray aman-dreny dia raisin’ny zandry sy ny zanaka ho entiny: tsy atao fialan-tsfay foana anefa izany, fa tena  entiny tokoa, raha tsy dia sendra efa mba mitondra entana hafa tsy azo akambana, dia tsy fanao ny mitsatsaingona mialoha zoky na ray aman-dreny, raha tsy asainy manao. Izany no nihavian’ny ohabolana hoe : manan-joky afaka olan-teny, manan-jandry, afaka olon’entana.