Créer un site internet

Ny famantaran-taonan'ny Ntaolo

Avy tamin’ny fahavarany nandinika ny fandehan’ny masoandro sy ny fombafomban’ny zava-maniry mbanin’ny toetra mpiseho tamin’ny biby amam-borona no nahafantaran’ny Natolo ny toetoetry ny taona.

Isa-maraina izy dia maka toerana eo atsinanan-tranony mijery ny toerana iposahan’ny masoandro, ary ireny tendrombohitra mitandahatra eny atsinanana ireny no amaritany sy itadidiany azy. Nony hariva indray ny andro dia maka toerana eo andrefan-trano izy, mitazana ny toerana ilentehan’ny masoandro ka ny tendrombohitra mitandahatra eny andrefana no amaritany sy itadiavany azy. Ho fanampin’izany dia tsiphihiny eo amin’ny rindrin-trano atsinanana ny fandehan’ny tsidik’andro. Amin’ireo no amantarany ny fotoana mety hanaovana ny voly sy ny taozavatra samy hafa.

Ny fandinihany ny zava-maniry sasany, toy ny voankazom-baratra, ambiaty, dingadingana, tsipelana, sns. , ary ny biby madinika, toy ny tsipohafoha (sakoivy), voangory, sns. , dia amantarany ny fotoam-pambolena koa.

Ny fizaran’ny Ntaolo ny vanin-taona kosa dia toy izao :

Ririnina. Mikorintsana ny amberivatry amin’izay, ka efa miala ny tazo, ary sahy midina any amoron-tsiraka ny mpanao “be ririnina”, izay tsy mbola efan’ny tazo. Tapi-kintsana ny ravi-mangahazo, ka efa famboly ny tahony. Afafy ny ketsam-barialoha.

Lohataona. Misy orana mampisara-taona; maneno ny kankafotra, vaky ny ambiaty, ary afafy ny ketsan’ny vary vakiambiaty, mamontsina ny aviavy, vaky vony ny paiso, maniry ny tany, ka tsy tsara hatao feta, vaky vony ny vero, miantomboka ny tazo any ambany, mandefa anaka ny goaika, mikakàka ny androngo, mamaky loha sola ny tanin’andro.

Fahavaratra. Midona ny orana, manao oran-kateloana sy oran-kerinandro aloha vao mamporèny ny ranonorana? Tonga ny fararanom-barialoha. Mando mololo ny orana, madra-boanjo am-bavahady, mandavo katsaka, manao ilaifito. Tonga ny fararanon’ny vakiambiaty. Mihintsana ny ravinkazo, dia mivalan-drahona ny lanitra, miandoha ny filatsahan’ny fanala, ary tafahodina indray ny ririnina.

Nalaina tao amin’ny Fomba Malagasy , Rev. WE Cousins