Nos ancêtres n’avaient pas de montre ni de cadran solaire pour dire l’heure, cependant, ils avaient des repères tout au long de la journée, basés sur leur sens de l’observation de l’environnement et les taches de la vie quotidiennes, du genre « cri du crapaud le matin, heure de sortie des zébus, plein soleil, etc».
Tsy mba nanana famantaran’andro ny Ntaolo, nefa kosa nisy ihany izay nanamarihany ny fotoana samy hafa tao anatin’ny andro anankiray. Nanana marik’andro izy, nitombona teo amin’ny fahazarany mandinika ny fotoana fisehoan-javatra isan’andro. Ka manomboka ny maraina dia izao ireto avy ny marik’andron’ny Ntaolo :
Maneno sahona
Maneno akoho tokana
Maneno akoho
Maneno fitatra
Mazava ratsy
Mifoha olo-mazoto
Mifoha olona
Mipoaka andron-dolo
Maim-bohon-dravina
Vaky masoandro
Mivoaka omby
Mivoala omby tera-bao
Misandratra andro
Antoandrobenanahary
Mitataovovonana
Mitsidika andro
Tafalatsaka ny andro
Am-pamotoran-janak’omby ny andro
Am-pitotoam-bary ny andro
Am-bava fisoko ny andro
Tafapaka ny andro
Mody omby tera-bao
Mampody omby
Mena masoandro
Maty masoandro
Maizim-bava-vilany
Tsy ahita-mitsinjo
Tsy ahitan-tsoratr’omby
Manokom-bary olona
Homam-bary olona
Tapi-mandry olona
Loha-tory
Mivoaka mpamosavy
Misasakalina na mamatonalina