Fialan-tsiny amin'ny kabary

Avant un kabary, il est d'usage d'écarter le tsiny (actions potentiellement coupables pouvant susciter des reproches) par respect et pour honorer les personnes présentes.

Rehefa manomboka mikabary, fomba ny miala tsiny aloha ho fanajana sy fanomezam-boninahitra ireo olona manatrika ary koa ho fiarovan-tena ny mpikabary noho ny teny diso mety hambara na fahavotsana mandahatra.
Ity misy santionanan-fialan-tsiny izay noraisina tao amin'ny  boky " Faka sy Kolo Mikabary 21.3".

Na dia omena ahy aza ny hitondra ny fitenenana eto anio, dia tsy maintsy miala tsiny ihany aho manoloana ny voninahitrareo rehetra izay manatrika etoana.
"Ny hitsikitsika, hono, no tompon'ny dihy;
Ny vivy, hono, no tompon'ny rano;
Ny railovy, no tompon'ny feo;
Ny Raiamandreny, no tompon'ny fitenenana"

Tsy tokony hilaza aho, fa natao hilazana; tsy tokony hiteny, fa natao hitenenana; koa miala tsiny raha mandray fitenenana eto ankehitriny.

Miala tsiny amin'izay rehetra hambarako etoana, noho  ny fahavotsavotsako mandahatra, ny fiambakavakako mivolona, mahatsiaro tena ho mitafy lamba imason'ny tompony ihany, raha miteny eto anatrehanareo; tsy misy mahay mamindra tahaka ny akoho, hono, fa raha mandia sahafa solafaka ihany. Ny fitenenana mantsy toy ny rafi-biriky ka na tsara dinty sy tsara lasitra aza tsy hilaozan'izay hisy ho tapaka:
"Ny didididiana, tsy ary mitovy;
Ny kapakapaina, misy somaka;
Ny fariparitana, tsy ary ho voatana;
Ny teny maro, tsy hilaozan-diso"

Koa miala tsiny tompoko, fa ny tsiny mantsy tahaka ny tevan-dalina, itsiriha-mahafanina, ianjera-mahafaty ary tahaka ny oram-panala, tsy hita fa an-koditra vao mahangoly, raha ananan-tsiny, hono, toy ilay petak'orona voan'ny sery, ka avo roa heny sy fahakentsonana. Tsy ho lany nadro hamira vava ny tsiny eto anefa isika, teny ihany izany ka teny, tsy izay hosoran-tantely akory no mamy, na izay hosoran-tsakay no mangidy, fa  ny atao ihany no mahasoa na maharatsy. Koa lalao ny Fanahy mahaolona fa ny malemy fanahy sitr'olona, ny tsara fanahy tratra am-parany.