Mifankatiava ny velona, fa ny maty tsy mba namana intsony; ny maty momba ny maty, ny velona momba ny velona; ny maty tsy azo antenaina, fa ny velona no azo antenaina.
Mifankatiava ny velona, fa ny malemy fanahy tratra amparany; ny mahatsindry fo tian'olona,; fa ny nenina tsy aloha, fa aoriana; koa rizareo no be nenina: raha tezitra manoto fo; ary izahay no tsy mba manenina: raha tezitra mionona ihany; fa ny rariny itompoana dia mody raiben-keloka.
Mifankatiava ny velona; fa aza manao roa an-trano tsy enimbositra; fa ny lavitra tsy azo antsoina, nefa ny maro ihany no sambatra, fa ny vitsy lan'ny vitsika.
Mifankatiava ny velona: ataovy toy ny valala: raha matavy miara-miridina.
Mifankatiava ny velona: ataovy toy ny vohavoha: malemy tsy tapaka; madilana, tsy maito; ary toy ny rano am-pasika: atao ho ritra, kanjo mbola misy ihany.
Mifankatiava ny velona; manaova toy ny tsena; mora hahalalana ny tsy fantatra, ary hahitana ny tsy hita; tsy miantso ka mahavory.
Mifankatiava ny velona; ataovy toy ny lamban'akoho: ny makarakara sosohana; faty, hono, no isarahana.
Mifankatiava ny velona, fa aza manao fihaonan'omby; ny lehibe manoto ny kely, ny matavy manosika ny mahia.
Mifankatiava ny velona; fa aza manao fihavanam-bato: tezitra tsy azo ivalozana, tapaka tsy azo atohy; ny lehibe tsy miteny, ny kely tsy mitombo.