Créer un site internet

TSIARO nosoratan'i RADO

 

Raha i Alphonse Rakotonirainy

Ka nahalalako ny zavatra tiany,

Ivelan’ny Taniny izay nolalainy,

Dia ireo zavakanto izay mba nofidiny.

 

Manko voamariko sady tsaroako

Fa nisongadina tena niavaka:

Tiany ny manao sary hosodoko,

Sy ny mihaino an’ireo hiram-bavaka.
 

Dia hita sy tsapa amin’izany ny fony,

Fa na miaramila mahery sy sahy,

Ilay fahendren’ny Gasy tsaroany :

Hoe “Ny Hery dia tsy mahaleo ny Fanahy”.
 

Rado - Georges Andriamanantena
18 avril 1996

Bureau EMGAM, 1976