Tononkalom-pahatsiarovana nosoratan'i Rado

Arakotonirainy 028

Nosororatan’I Rado tamin’ny 25 Jolay 1986 

Indro ilay mpamoron-kira

Rehefa injay ka velon-tsoratra ao am-po ny fahatsiarovana
Ka misangisangy jery irony làla-nolalovana
Dia tsy tàna fa mitroatra sy miainga ny alahelo
Mba hikatsaka hitady rindram-peo mamelovelo.

Rindram-peo misarintsarin-dohatoana tonga lafatra
Feno vony tsara loko ary fatratra dia fatratra
Kanjo…tampotampoka eo injay mijojo ny oram-baratra
Folaka ny voninkazo : miondri-doha sy malo-taratra.

Dia manomboka hatreo ny jeri-todika ny dila
Avadibadika ny diary mba hitady ireo takila
Mitahiry ireo tantara tao am-bata tsara hidy
Izay no antsoina hoe “tsiaro” ! Mamy, nefa koa mangidy.

Ary izany sy izany, ary ireny rehetra ireny
No miteraka onjam-peo izay manako ombieny ombieny
K’indro ialy mpitendry lyra, mianoka ny fitodihany
Fa mikitika manendry izato tadin’ny valihany.

Dia indro ilay mpamoron-kira
Fa mitendritendry lyra…

Ataony ahoana no hanadino rehefa injay voakirakira
Irony rakitry ny lasa, misy ireo valonan-kira
Niarahana nikalo fony teo amoron-patana
Sy nitondra nofy mamy teny anivom-
pisandratana.

Mitambolombolona ao ireo takilan’eritreritra
Tsy mba vasoky ny taona… Hany ka miherikerika
Te-hiantso ny efa dila, n any maso valalanina
Na ny saina te-hiantsampy, n any fony manimanina…

Kanjo !

Nisambotra aloka ny fony te-hamihina ny lasa
Ary nofinofy sisa irony hoavy nokinasa
Fa vinavina maro nokinedry hiezinezina
Dia nanjavona satria lavo teo andrarezina.

Misampontina ao an-tsainy izany rehetrarehetra izany
Ka ny tendriny henoy ! Mbetika toa mitomany,
Mbetika to ate-hitory ny fitroatran-katezerany
Am-izato ankasomparana nitondra ny fitserany…

K’indro ilay mpamoron-kira
Fa mitendritendry Lyra.

Mahagaga ny tsiaro ao am-pon’ny olombelona
Fa dia hainy ny manangana ny maty mba ho velona
Tsy ho velona ara-nofo, ara-batana hotsapaina
Fa ho velona maharitra ao am-po sy ao an-tsaina.

Tsy ny vovoky ny nofo no mihatsika ho hitany
Fa ny asa nimasoany, nikirizany sy vitany
Tsy ny taolana efa maina no miverina ny vitrany
Fa sy sanganasa kanto nampamiratra ny kintany.

Misy olona tsy maty sy tsy mety maty intsony
Noho ny soa notontosainy sy ny hadiovam-pony
Misy endrika tsy miova mbola mirana sy tony
Mbola manan-kolazaina, mbola manana ny zony.
 

Ny taranaka handimby any aoriana sy any am-parany
Mbola higoka izay nataony, mbola hanaja ny anarany
Ny soridalan’ny finoana sy ny teny izay nambarany
Mbola handresy ny aizim-pito am’fitomaratarany.

 

Izay ’lay zava-mahagaga sy ny herim-pahatsiarovana !
Fa misy olona velominy ao anaty fahalovana.
Ka tsy tan any talenta fa mitady rindran-teny
Sy mitady rindram-peo hanandratana azy ireny…

 

K’indro ilay mpamoron-kira
Fa mitendritendry lyra…

Qui est Alphonse Rakotonirainy

Alphonse Rakotonirainy