Créer un site internet

FA MISY...

Fa misy…  

 

Misy hery tsy hay tohaina mamerimberina ny antsony

 Mivoaka avy ao ampasana ao ka miampita koa ny akony

 Dia antsoantso mampatsiahy ny finoana miezinezina

 Tsy maty momoka tsy akory, na lavo aza ny andrarezina  

 

Koa ny alokon’ny lasa izay mitanisa fahalovana

 Tsy handitsoka ny maso na hamafa fahatsiarovana

 Fa ireo rafitry ny dia sy ny taona nifanesy

 No anononanay ny antsa “Ilay maty no Mpandresy”  

 

Lalao Rakotonirainy