Angano, angano, arira, arira, izaho manoratra ianareo mamaky…
Ny kinaoly dia karazan’olona, hono, toy izao no tarehiny : mena ny masony,, lavabe ny hohony ; nefa ny tenany hafa rehetra, afa-tsy ireo voalaza ireo, dia tahaka ny an’ny olombelona ihany. Fangalarina no hivelomany ; koa raha misy mamela laoka na vary masaka, ka ilaozana, dia alainy. Indraindray dia mangala-bary koa izy, nefa tsy mahazaka entana loatra. Rehefa maty ny olona izay manjary Kinaoly toy izany, dia alevin’ny havana mandra-paholon’ny tsinainy sy ny nofon-kibony rehetra; ary rehefa izany dia hadin’ny havany indray ny fasana hivoahany.
Indray andro, hono, nisy olona nahita Kinaoly mivady nangala-bary, ka dia niery azy io olona io mba hahitany izay fanaony; ary izao no nataon’izy ireo: nofenoiny vary izay zavatra nentiny, dia nobatain’ny lahy ka nolanjainy. Fa nony mby teo an-tsorony ny entana, dia hoy izy “maty aho, oroko”, miantso ny sorony. Dia hoy ny vavy nony nahita izany “ tsy mahazaka tsinona, aiza ho entiko”. Dia nololohavin’ny vavy kosa, ka nony mby teo an-dohany, dia hoy izy: “maty aho, ohako”, miantso ny lohany.
Indray andro koa, hono, nisy Kinaoly nifanena tampoka tamin’olona. Dia hoy ilay olona, raha nahita ny hamenan’ny masony sy ny halavan’ny hohony “nahona ny masonao no mena?”. Dia hoy izy “nolalovan’Andriamanitra”. Ary hoy indray ilay olona “nahoana ny hohonao no lava?”. Dia hoy izy “hangarofako ny atinao” sady norangotiny ilay olona tamin’izay.
Any Betsileo atsimo no ataon’ny olona fa misy azy mandrak’ankehitriny izao. Tany Betsileo avaratra koa, hono, nisy azy. Nitoetra ny tany anaty katsaka izy. Nisy ta-hahalala na marina tokoa izany na tsia, ka nankao matetika ihany hizaha azy; ary na dia natahotra aza izy, fandra hifanena amin’ny kinaoly tokoa, dia sahy niditra ihany, kanjo tsy nahita na inona na inona tao izy.
Ataon’ny sasany any Betsileo fa isan’ny zava-mampalahelo azy raha mba ny tenany na ny havany no hody kinaoly toy izany rehefa maty.