Créer un site internet

Ibotity

Angano, angano, arira, arira, izaho mitantara, ianareo mamaky...

Niainga, hono, ity Ibotity ka niani-kazo; ary nony notsofin'ny rivotra ny hazo dia tapaka, ka potraka izy sady folaka ny feny. Dia niteny izy hoe: "ny hazo lahy no mahery, ka nahafolaka ny fen'Ibotity".

Fa namaly kosa ny hazo hoe : "tsy izaho no mahery, fa ny rivotra! " Dia hoy Ibotity :"ny rivotra izany no mahery ! Fa ny rivotra nanapa-kazo, ary ny hazo nanapaka ny fen'Ibotity".

"Tsy Izaho no mahery" hoy ny rivotra; "Fa mahery aho ka ho voatohan'ny vohitra! "Dia ny vohitra izany no mahery!" hoy Ibotity. "Fa vohitra nanoha rivotra, rivotra nanapa-kazo, hazo nanapaka ny fen'Ibotity".

"E, tsy Izaho no mahery" hoy ny vohitra; "Fa mahery aho ka holoahan'ny voalavo!" Dia ny voalavo izany no mahery ! hoy Ibotity. "Fa voalavo nandoa-bohitra, vohitra nanoha rivotra, rivotra nanapa-kazo, hazo nanapaka ny fen'Ibotity".

"E, tsy Izaho no mahery" hoy ny voalavo; fa mahery aho ka ho vonoin'ny saka ! Dia ny saka izany no mahery ! hoy Ibotity, "Fa saka namono voalavo, voalavo nandoa-bohitra, vohitra nanoha rivotra, rivotra nanapa-kazo, hazo nanapaka ny fen'Ibotity".

"E, tsy Izaho no mahery" hoy ny saka; Fa mahery aho ka horohizan'ny tady ! Dia ny tady izany no mahery ! hoy Ibotity; "Fa tady nadrohy saka, saka namono voalavo, , voalavo nandoa-bohitra, vohitra nanoha rivotra, rivotra nanapa-kazo, hazo nanapaka ny fen'Ibotity".

"E, tsy Izaho no mahery" hoy ny tady; fa mahery aho ka ho tapaky ny antsy ! Dia ny antsy izany no mahery ! hoy Ibotity,; "Fa ny antsy nanapa-tady, tady nadrohy saka, saka namono voalavo, , voalavo nandoa-bohitra, vohitra nanoha rivotra, rivotra nanapa-kazo, hazo nanapaka ny fen'Ibotity".

"E, tsy Izaho no mahery" hoy ny antsy; fa mahery aho ka hodoran'ny afo ! Dia ny afo izany no mahery ! hoy Ibotity,, "Fa afo nandoro antsy, antsy nanapa-tady, tady nadrohy saka, saka namono voalavo, , voalavo nandoa-bohitra, vohitra nanoha rivotra, rivotra nanapa-kazo, hazo nanapaka ny fen'Ibotity".

"E, tsy Izaho no mahery  hoy ny afo; fa mahery aho ka ho fatin'ny rano ! Dia ny rano izany no mahery ! hoy Ibotity, " Fa ny rano namono afo, afo nandoro antsy, antsy nanapa-tady, tady nadrohy saka, saka namono voalavo, , voalavo nandoa-bohitra, vohitra nanoha rivotra, rivotra nanapa-kazo, hazo nanapaka ny fen'Ibotity".

E, tsy Izaho no mahery  hoy ny rano; Fa mahery aho ka hotetezin'ny lakana ! Dia ny lakana izany no mahery ! hoy Ibotity. "Fa lakana mitety rano, rano namono afo, afo nandoro antsy, antsy nanapa-tady, tady nadrohy saka, saka namono voalavo, , voalavo nandoa-bohitra, vohitra nanoha rivotra, rivotra nanapa-kazo, hazo nanapaka ny fen'Ibotity".

E, tsy Izaho no mahery  hoy ny lakana; fa mahery aho ka ho vakin'ny vato ! Dia ny vato izany no mahery ! hoy Ibotity. "Fa vato namaky lakana, lakana mitety rano, rano namono afo, afo nandoro antsy, antsy nanapa-tady, tady nadrohy saka, saka namono voalavo, , voalavo nandoa-bohitra, vohitra nanoha rivotra, rivotra nanapa-kazo, hazo nanapaka ny fen'Ibotity".

E, tsy Izaho no mahery  hoy ny vato; fa mahery aho ka ho vakin'ny olona ! Dia ny olona izany no mahery ! hoy Ibotity. "Fa olona namaky vato, vato namaky lakana, lakana mitety rano, rano namono afo, afo nandoro antsy, antsy nanapa-tady, tady nadrohy saka, saka namono voalavo, , voalavo nandoa-bohitra, vohitra nanoha rivotra, rivotra nanapa-kazo, hazo nanapaka ny fen'Ibotity".

E, tsy Izaho no mahery  hoy ny olona; fa mahery aho ka ho matin'ny mpamosavy ! Dia ny mpamosavy izany no mahery ! hoy Ibotity. "Fa mpamosavy nahafaty olona, olona namaky vato, vato namaky lakana, lakana mitety rano, rano namono afo, afo nandoro antsy, antsy nanapa-tady, tady nadrohy saka, saka namono voalavo, , voalavo nandoa-bohitra, vohitra nanoha rivotra, rivotra nanapa-kazo, hazo nanapaka ny fen'Ibotity".

E, tsy Izaho no mahery  hoy ny mpamosavy; fa mahery aho ka ho fatin'ny tangena! Dia ny tangena izany no mahery ! hoy Ibotity. "Fa tangena namono mpamosavy, mpamosavy nahafaty olona, olona namaky vato, vato namaky lakana, lakana mitety rano, rano namono afo, afo nandoro antsy, antsy nanapa-tady, tady nadrohy saka, saka namono voalavo, , voalavo nandoa-bohitra, vohitra nanoha rivotra, rivotra nanapa-kazo, hazo nanapaka ny fen'Ibotity".

E, tsy Izaho no mahery  hoy ny tangena; fa mahery aho ka ho resin'Andriamanitra ! Dia Andriamanitra izany no mahery ! hoy Ibotity. "Fa Andriamanitra nandresy ny tangena, tangena namono mpamosavy, mpamosavy nahafaty olona, olona namaky vato, vato namaky lakana, lakana mitety rano, rano namono afo, afo nandoro antsy, antsy nanapa-tady, tady nadrohy saka, saka namono voalavo, , voalavo nandoa-bohitra, vohitra nanoha rivotra, rivotra nanapa-kazo, hazo nanapaka ny fen'Ibotity".

Dia niaiky Ibotity sy ny zavatra rehetra fa Andriamanitra ihany no mahery indrindra sy manapaka ny zavatra rehetra amin'izao tontolo izao, na ny eny amin'ny lanitra ambony, na ny ety amin'ny tany ambany, na ny any ambanin'ny tany, na ny amin'ny fara-vodi-lanitra, dia Izy ihany no mandidy mandrakizay doria.

Angano, angano, arira, arira, izaho mitantara, ianareo mamaky...