Fa nisy
Fomba ve ny mahatsiaro, sa dia raisina ho adidy,
Ny hamongaranay ny lasa, feno mamy sy mangidy.
Fa nisy mantsy hafaliana, izay nivadika ho fisaonana,
Nisy tsikin’ireo molotra, nanjary faharesen’ny taolana.
Nisy masoandro be tsy ninoana ho simban-drahona,
Nosoloan’ny aizimpito izay mafaitra nohon’ny vahona.
Nisy retsom-pitiavana nantenaina ho fanoitra,
Mba hananganana ny ho avy amin’ny fomba tena tsotra.
Nisy ezaka natomboka tamin’ny finoana feno,
Izay niova ho hakiviana, fa noravàna tsy ho heno.
Ary ireny rehetra ireny no hametraham-pahatsiarovana,
Ho an’ilay Malalanay, tsy avela ho resimpahalovana.
Nisy hafaliana mantsy natao ho mafy sy haharitra,
Nosomparan’ireo sahy, ka nokapainy tamin-kery.
Nisy zaza vao nibada, tsy mba afaka nandahatra,
Noratraina vao nitsimoka, nitondra ratra feno fery.
Koa raha niondrika ny loha ka nanaiky ny ho gina,
Raha nalevina ny maty tao ampasana mangina,
Misy ireo horokorony, izay tiaviny ampanahy,
No manohy ny tigetrany, ka hampiteny rangolahy…
Lalao Rakotonirainy Razaiaritsaranirina